(mg)FOKO BLOG CLUB Toamasina
By Stephane
Ny ora tokony nanombohana ny fampianarana mitoraka bilaogy taty Toamasina dia tokony tamin’ny 9ora maraina tao amin’ny le cyber bazar be.
Raha tamin’ny 7h30 moa izahay (ora foivoahany le cyber) dia nampandrenesiny tompon’andraikitra fa dia tapaka ny connexion (satria dia blueline moa no miasa ao an-toerana).
Gaga ny tenanay raha ohatra ka ora 2 taty aoriana dia mbola tsy nandeha ny connexion ary nanontany raha olana tao amin’ny le cyber? dia nahazo ny valiny nahafapo fa izay rehetra nampiasa ny blueline erany Toamasina dia tsy nandeha na tapaka.
Nanomboka teo dia nikorontana kely satria dia tonga tsikelikey ireo olona hianatra ny miblaogy.
Ny tany am-pita toa an-dry Lova sy ry Joan moa dia tsy nitsahatra ny nifandefa sms tamin’ny tenanay taty Toamasina ary naharaka tsara ny fandehan-javatra.
Raha tamin’ny 11h30 vao niverina ny connexion dia olona 4 sisa no nanana fahazotoana nijanona izay hisaoran’ny foko manokana eto dia tsy iza izany fa i Christian,Val,Luc ary Paul.


4 Comments, Comment or Ping
Reply to “(mg)FOKO BLOG CLUB Toamasina”