Fony teny amin’ny Palais des sports et de la Culture Mahamasina isika dia nampirisika an-dry zareo tao aho (FBC) hoe afaka mandika teny ihany koa ianareo na dia atao hoe isan-kerinandro aza satria mihevitra aho fa mahay teny anglisy ry zareo, sady efa nianatra momba ny blogging. Tahatahaka izay nolazaiko tamin’ny barcamp 4 octobre 2008 ihany no nambarako an-dry zareo nifananihany niresaka tamin’ny teny anglisy teo. Nazoto tamin’izany i Koloina sy Nhari… i Koloina io mazoto dia mazoto io dia izay no nahatonga azy tao!
Koloina (!!!) http://gasykool.wordpress.com
Toy izao ny fanazavana tsotsotra araka ny fahazoako ny fangatahanao:
Vohikala itarafana ny resaka an-tserasera manerana izao tontolo izao indrindra ny aty amin’ny faritra ivelan’ny tany tandrefana (Eoropa andrefana sy Amerika avaratra) ny Global Voices Online ka adika ihany koa amin’ny teny Malagasy. Tombontsoa ho antsika mahay teny Malagasy ny fananana izany sehatra izany ahafahana manaraka ny vaovao sy mijery ny fomba fampitan’ny olo-tsotra toa antsika izay lohahevitra rehetra tian’ny olona ivelan’i Madagasikara vakiana amin’ny teny malagasy.
Avylavitra sy Jentilisa tao @ Ebit
Maneho antsika noho izany ny Global Voices fa azo soratana sy ampitaina avokoa ny zavatra na lohahevitra rehetra mahafinaritra anao, rehefa tsy mampiely ny fankahalana bontolo sy ny zavatra tsy mendrika izany. Tsy voatery haka tahaka be fahantany isika fa ainga kosa ny famakiana ny Global Voices Online hamoahanao ny lahatsoratra izay heverinao tsy mendrika horaiketina akory aza nefa mety hahaliana ny hafa indrindra.
Dia misaotra anareo nahavaky ity hatramin’ny farany, ary mazotoa mamaky ny Global Voices Online!
Lahatsoratra vao dikan’i Koloina : http://mg.globalvoicesonline.org/author/koloina/


Tsara e