(mg)FOKO BLOG CLUB Toamasina
Ny ora tokony nanombohana ny fampianarana mitoraka bilaogy taty Toamasina dia tokony tamin'ny 9ora maraina tao amin'ny le cyber bazar be. Raha tamin'ny 7h30 moa izahay (ora foivoahany le cyber) dia nampandrenesiny tompon'andraikitra fa dia tapaka ny connexion (satria dia blueline moa no miasa ao an-toerana). Gaga ny tenanay raha ohatra ka ora 2 taty aoriana dia mbola tsy nandeha ny connexion ary nanontany raha olana tao amin'ny le cyber? ...
















